Actualités

Speed Auto Afa-po ny 98%-n’ireo mpanjifa


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Hafarana mivantana avy any Afrika Atsimo ireo piesin’ny fiarakodia na vaovao na efa niasa amidin’ny Speed Auto.

 Tsy misy mpanelanelana, araka ny fanazavana ary amin’ny vidiny mirary kanefa azo antoka. Raha ny vaovao dia amidin’ny Speed avokoa izay kojakojam- piarakodia rehetra manomboka amin’ny motera ka hatramin’ny jiro. Anisan’ny piesy tonga dia azo raisina ny kojakoja ho an’ny fiara Bmw na vaovao na efa niasa, toy ny calculateurs, injecteurs, debit-mètre, Turbo, Train avant sy arrière. Misy antoka avy amin’ireo mpamokatra avokoa ny kojakoja amidin’ny Speed Auto.

Mialoha ny famandrihana, raha ny fanazavana dia mila misafidy tsara izay piesy hovidiany ilay mpanjifa. Mba tsy hisian’ny fifandisoana na eo amin’ilay atao hoe “référence” sy ny vidin’entana dia azo jerena amin’ity tranonkala ity izay piesy tiana hovidiana : http://www.realoem.com. Karazana katalôgy io tranonlaka io, araka ny fanazavana izay ahitana ny “numéro de série” izay tena zava-dehibe hisafidianana ilay piesy. Vidiny mirary, araka ny fanazavana ihany, no ivarotan’ny Speed Auto ireo kojakojam-piarakodia saingy raha mihoatra amin’ny tokony ho izy kosa ny lanja na ny haben’ilay entana dia anjaran’ilay mpanjifa ny saran’ny fadin-tseranana. Ny vidin’ny entana rehetra moa dia «sur devis» avokoa. Herinandro aorian’ny tena komandy dia azon’ny mpanjifa ny entany. Araka ny fanazavana dia afa-po tamin’ny asan’ny Speed Auto ny 98%-n’ireo mpividy satria haingana, za-draharaha ny Speed Auto izay hita eny Soanierana Boulevard Ratsimandrava, akaikin’ny Mak Motors. Mivoha isan’andro hatramin’ny sabotsy ny Speed Auto ary azo antsoina amin’ny 033 37 300 54, 033 15 300 99, 032 76 790 73, 034 05 031 45 sy jerena amin’ny www.facebook.com/ course speed.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT