Actualités

Spaoro politika Hanamboatra “gymnase” mahazaka 8000…


  • Talata 16 Aogositra 2022

Ankoatra ny nanolorana lelavola 5 tapitrisa Ar ho an’ny ekipam-pirenena Ankoay zazalahy, nampanatena Kianja mitafo vaovao na “Gymnase” mahazaka olona 8000 hovitaina mialohan’ny lalaon’ny Nosy 2023 ny Fanjakana

Rajoelina taorian’ny fiafaran’ny lalao Afrobasket, araka ny hafatra voalaza fa nampitondrain’ny Filoha ny Minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto. Nambara mantsy fa tsy mahazaka afatsy 5000 ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Antony nambara fa nandraisana io fanapahan-kevitra io ny fisian’ny vahoaka nitandahatra sy tsy tafiditra omaly teny Mahamasina sy ny tsy hiverenan’izany amin’ny Lalaon’ny Nosy. Efa zary fahazaran’ity fitondrana ity ny mampanantena zavatra tahaka izao, rehefa misy ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena satria efa nampanantenaina tahaka izao ny ekipam-pirenena amin’ny Rugby lalaovin’olona 7 izay tafita amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, nampanantenaina “dojo” ihany koa ny mpanao “judo” sy ny mpibata fonjam-by izay avy namiratra tany Afrika. Ny eo tsy vita, ny eo misisika ihany! Miharihary hatrany ny politikan’ny kitaitaitra sy ny kisendrasendra, ny fanaovana “recuperation politique” na fampalazana tena ara-politika amin’izay zavatra rehetra azo japiana amin’izany, eny fa hatramin’ny resa-pinoana aza. Raha resaka fampiroboroboana ny fanatatanjahantena: famerenana ny fampianarana ara-panatanjahantena na “sport etudes” sy ny fanohanana ny fifaninana isan’ambaratongany, fakana traikefa iraisam-pirenena sy fihaonana iraisam-pirenena,…. no ilaina fa tsy maika hanao “gymnase” etsy sy eroa, hoy ny fanehoan-kevitra. Mila maka ny hevitr’ireo manam-pahaizana ara-panatanjahantena, fa tsy mandeha amin’ny kisendraserandra. Mampanantena vahaolana hanangana izao sy izao rehefa misy fahombiazana azo japiana fa ny fahoriam-bahoaka an-taonany tsy misy hita sy tsy ahitam-bahaolana?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT