Actualités

Sos village d’enfants Omanina amin’ny sehatry ny asa ny mpianatra


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Ankizy an-jatony no beazina eo anivon’ny Sos village d’enfants. Manome fanabeazana ara-dalŕna sy ezahana ho feno ho an’ireo mpianatra zanaky ny fianakaviana sahirana no tanjona mba hahatonga azy ireny hanana fari-piainana tsara noho ny misy azy ankehitriny any aoriana.

Isan-taona dia mikarakara hetsika antsoina hoe : “Forum de métiers” ny fikambanana mba hampahafantaran’ireo ankizy ny karazana asa samihafa azony isafidianana. Manasa tompon’andraikitra avy amin’ny sehatr’asa isan-karazany ny Sos village d’enfants, araka izany, ka mpandraharaha momba ny fizahantany, mpandraharaha amin’ny sehatry ny fambolena ary manampahaizana momba ny fitantanana no nasaina tamin’ny andiany faha-7 amin’ny “Forum de métiers” tontosaina omaly sy anio mba hamelabelatra momba ny asany sy hamaly koa ny hetaheta ara-pahalalana hapetraky ny mpianatra aminy. “Izao no atao dia mba hanomanana ny sain’ny mpianatra amin’ny sehatry ny asa ary miezaka amin’ny fomba rehetra izahay hahatafita azy ireo”, hoy Ralaivao Bernard, tale misahana ny fampidirana ny tanora amin’ny sehatry ny asa ao amin’ny Sos village d’enfants. Toe-tsaina mametraka ny fianakaviana ho orinasa kely iray mila ampiroboroboana no volena ao amin’ireo ankizy ireo, hoy hatrany izy ka hazavaina aminy fa tsy ampy raha ny karama fotsiny no hamelona ny ankohonana fa mila fidiram-bola hafa. Tsara ny manamarika fa efa 50 mahery ankehitriny ireo ankizy nobeazina no efa nahavita ny fianarany teny anivon’ny ambaratonga ambony na nahavita fiofanana araka asa.

 
Yves
 

Sary : Mpiofana avy ao amin’ny Sos village d’enfants

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT