Tonga tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, itoeran’ny iraky ny ekipa mpanelanelana avy amin’ny SADC, ny delegasiona avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana omaly tolakandro nanolotra tamin’ny Dr Leonardo Simao ny fanamarihana maromaro hitan’izy ireo tao amin’ilay sori-dalana naroson’ity farany tamin’ny 31 janoary 2011 ary efa nitondran’i Joaquim Chissano fanitsiana ka natolony ny 16 febroary 2011.
Nitarika ny delegasiona teny an-toerana i Mamy Rakotoarivelo sy Fetison Rakoto Andrianirina, niaraka tamin’ny teknisianina isany, Me Hanitra Razafimanantsoa sy Benjamin Andriamihanta sy i Brian C. manampahaizana vahiny momba ny fandaminana ny krizy, izay miara-miasa akaiky amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nandritra io fihaonana omaly io koa no nanoloran’ity ankolafy ity ny volavolan-tsori-dalana avy amin’izy ireo.
Araka ny fantatra dia omaly ihany dia efa nanomboka nandinika ity tolo-kevitra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity ny iraky ny ekipa mpanelanelan’ny SADC ary hisy ny fivoriana hiarahan’ny roa tonta amin’ity anio ity hifanazavana mikasika ireo teboka manjavozavo ka ilam-panazavana na hiadian-kevitra ao anatin’izany.
Raha nihaona tao Sandton, Afrika Atsimo ny Filoha Marc Ravalomanana, sady lehiben’ny Ankolafy Ravalomanana, sy ny Filohan’i Mozambika teo aloha Joaquim Alberto Chissano, mpanelanelana avy amin’ny SADC ny sabotsy 26 febroary, tohin’ny fihaonan’izy ireo tany Maputo ny 22 febroary, dia nanome toromarika ireo mpitarika voatondro hanao ny fifampidinihana avy ao amin’ny ankolafiny Atoa Ravalomanana mba handray anjara feno amin’ny dinika momba ilay sori-dalan’ny SADC. Faniriany koa ny hisian’ny fihaonana an-tampony amin’ireo lehiben’ny ankolafy sy vondrona politika ary ireo nandray anjara feno tamin’ny fifampidinihina any amin’izay toerana hifanarahana, amin’ny famaranana ny fifampidinihina sy hanaovana sonia ny sori-dalana hifanekena farany. Hita ho sanganehana ary sahirana ireo mpanelanelana vahiny manoloana izany satria ireo mpanao politika nivory teny Ivato omaly dia ilay sori-dalana tsy hasiam-panitsiana no tadiavin’izy ireo hatao sonia. Izy ireo izay efa mikendry ny hanilika ny Ankolafy telo. Any amin’ny mpanelanelan’ny SADC izany izao ny baolina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.