Actualités

Sophie Ratsiraka Nanome tanana nanamaitso ny "Rond point" Ambohimangakely


  • Talata 20 Aprily 2021

Niova endrika ho mavana ny "Rond point" eo Ambohimangakely mampifandray ny Lalam-pirenena faharoa amin’ny By-Pass.

 

 

 Feno voninkazo sy zava-maniry samihafa karazana sy haingo mahasarika ny maso eo an-toerana noho ezaka nataon'i Kaominina Ambohimangakely, niarahana tamin'ny olontsotra, Sophie Ratsiraka zanaka vavin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy orinasa tsy miankina, nanajary sy nanamaitso. Ankoatra ny hamaitso sy hatsaran'izany toerana mandray anao raha miditra avy amin'ny lalam-pirenena faharoa, dia eo ihany koa ny endrika fivoarana sy mirindra avy dia manaitra. Raha loto sy lobolobo no nisy teo teo aloha, dia ny haikanto sy karazan-javamaniry maro no tsikaritra eo ankehitriny. Miverina miaina eto amin'ity toerana ity avokoa ny lolo, ny angidina, ny coccinelles...zay efa tena mihalany tamingana raha ny eto an-drenivohitra manokana no jerena. Tonga teny an-toerana nizaha imaso ny fiovana ary nankasitraka ny tetikasa ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Baomiavotse Vahinala Raharinirina. “Manosika ny sehatra tsy miankina sy ny tompon'orinasa hatrany ny tenako hiroso amin'ny fiaraha-miasa ara-tontolo iainana toy izao, ho fanatsarana ny tanintsika sady fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana, izay sarobidy loatra ho an'ny fahasalamann'ny mponina sy ny kalitaon'ny fiainany”. Nisaotra an-dramatoa minisitra tamin'ny fankasitrahana sy ny fanotronany ny asa vita i Sophie Ratsiraka. Nisaotra ireo olona rehetra miara-miasa sy manampy azy nahatontosa an'io tetik'asa io nandritrin'ireo volana maromaro izay ary nisaotra ny Ben’ny tanàna Ambohimangakely ihany koa izy tamin'ny fahatokisany.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT