Vonona hanohy ny tolona hatramin’ny farany ireo avy any amin’ny Faritra ivelan’Antananarivo sy Analamanga raha tarafina avy amin’ny fanambarana ataon’ny solontenan’izy ireo mandray fitenenana etsy amin’ny Magro Behoririka. Omaly alakamisy 28 aprily, ohatra, dia nanambara Rtoa Odette Manantsoa, solontenan’ny ankolafy Zafy Albert avy any Mahajanga, fa hitondra namana eto izy ireo ary tsy mody any amin’ny tany niaviany raha tsy tonga eto an-toerana i Dada.
«Manomboka amin’ny rodoben’ny vahoaka malagasy ny fametrahana tetezamita tena izy», hoy Iaban’i Dany nanohy izany. Nanizingizina koa ireo nandahateny tetsy amin’ny Magro tamin’io omaly io fa ny fiovaovan-kevitry ny filohan’ny FAT no tsy ivahan’ny krizy. «Ny manahirana indrindra amin’ny dinika miaraka amin’i Andry Rajoelina dia ny eny lasa tsia, ny tsia lasa eny», hoy i Olivier Rakotovazaha.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.