Solika ao Antsirabe

> Ratsy ny kalitaony


  • Talata 03 Septambra 2013


 

Velon-taraina ny mpitatitra sy ny mpampiasa fiara ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra amin’izao fotoana noho ny haratsin’ny solika eny amin’ireo toby mpaninjara. Raha ny nambaran’ny mpandraharahan’ny fitaterana izay niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana dia tsy misy azo antoka ny solika amidy ao Antsirabe afa-tsy amina mpivarotra iray, hoy izy saingy iniana tsy hotononina eto. Nambarany fa mitarika fahasimban’ny fiara ity olana ity, indrindra fa ny motera ka itarainan’izy ireo amin’ny tompon’andraikitra. Raha ny nolazainy moa dia karazan’ny mitapoka ranon-javatra hafa ny solika amidy ao Antsirabe ka samy iharan’izany avokoa na ny lasantsy na ny gazoala. Asa aloha ny any amin’ny faritra any fa raha ny ao Antsirabe dia efa mateti-pitranga ity ketrika ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT