Actualités

Sokatra tratra teny Ivato Mifanilika indray ny zandary sy polisy


  • Talata 26 Jolay 2011

Sokatra miisa 196 no sarona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly vao mangiran-dratsy, nanodidina ny tamin’ny roa ora maraina.

 Araka ny voalazan’ny kaomisera Brunel Razafitsiandraofa lehiben’ny polisy eny amin’ny seranana dia avy any amin’ny toerana ambenan’ny zandary no niditra ireo sokatra ireo nentin’ny fiaran’ny kaompania Air Madagascar. Efa ampiakarina any anaty fiaramanidina avy hatrany ireo entana ireo no tsikaritry ny polisy ka nasaina naverina. Rehefa nampandalovina ny scanner anefa dia tsikaritra fa misy zavatra hafahafa. Nantsoin’ny polisy ireo tompon’ny entana roalahy izay Karana Indianina sy Kaomorianina ka nosavaina teo imason’izy ireo ny entana. Tamin’io no nahatrarana ireo sokatra ireo. Ny kapiteny lehiben’ny zandary eny amin’ny seranana kosa dia nilaza fa tsy avy any amin’ny fiadidian’ny zandary mihitsy no nampidirana ireo sokatra. Nilaza mantsy ity farany fa entana efa vita fisavana ireo entana ireo matoa tafiditra tany anatin’ny seranana ary misy famantarana izany. Na teo aza ny fandaminana sy fanasoniavana niaraka ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena ato anatin’ny faritan’Antananarivo volana vitsy lasa izay dia tsikaritra fa miverina indray ny olana eo amin’ny zandary sy ny polisy eny amin’ny seranana. Samy notanana teny Ivato avokoa ireo roalahy tompon’ireo entana omaly.

 
Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT