Mirongatra ny fanolanana ankizy any amin’iny Faritra Itasy iny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia ankizy miisa 6 no lasibatra tany amin’ny distrikan’i Soavinandriana tao anatin’ny iray volana.
Ankoatra ny dadatoa sy ny dadabe dia tsy misy ireo raikely mahavita izany raha tsy lazaina intsony ireo mpanam-bola izay mahavita mamoaka vava mihitsy na dia efa nofonjaina aza. Raha tokony ho 3 taona an-trano maizina mantsy ny sazin’izy ireny dia misy enim-bolana ny sasany dia efa mivoaka sy miriaria eny anivon’ny fiaraha-monina ary mbola mahavita mamoaka vava tsy toko sy forohana ihany no sady mandrahona ny fianakavian’ireo ankizy niharan’ny fanolanana. Tsy vitsy ireo Ray aman-dReny mitaintaina sy miferin’aina araka izany, indrindra fa ireo manan-janaka vavikely noho ny hafitsok’ireny mpanolana ireny any amin’ity faritra iray ity. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ny mponina any an-toerana mba hijery akaiky ity tranga mampalahelo ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.