Actualités

Soavimasoandro Voasambotra ilay lehilahy nanolana ny zanany vavy


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Omaly no voasambotra teny Soavimasoandro raha araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny olon-tsotra tsara sitrapo ilay Ray niteraka nahavita nanolana ny zanany vavikely vao 13 taona monja. 37 taona itsy voalohany raha ny fantatra.

 Rehefa hitan’ny tao an-trano fa hafahafa ny fihetsik’ity zazavavy kely ity dia nanontaniana izy ka nilaza ny marina. Na izany aza somary nisy fanerena ihany natao azy noho ny tahony ny sao hodarohan’ilay hainy. Efa in-droa nisesy mantsy izy no nanamparan’io Rainy io ny filan-dratsiny no sady mahazo fandrahonana ny ho voadaroka foana raha vao mitantara ny zava-misy marina amin-dReniny. Nitsoaka avy hatrany io ray nahavanon-doza io taorian’ny nahafantarany fa nilaza ny marina ilay zaza ka izao tratra tao Soavimasoandro omaly izao. Hetahetan’ny rehetra moa no hamaizana mafy ny lehilahy mahavita manolana tahaka izao mba tsy hamerenany izany intsony. Alefa eny Tsiafahy ohatra raha araka ny hevitry ny sasany na gadraina mandrapahafatiny ihany koa ho an’ny sasany. Ho an’ny sasany indray dia ny hanapahana ny filahian’izy ireny mihitsy no tena mety mba hahatsiarovany mangirifiry. Na izany aza fanehoan-kevitra avokoa izany rehetra izany fa ankinina amin’ny fanjakana sy ny fitsarana ny fahendrena.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT