Actualités

Soarano Building Ramaroson Averina ho toeram-piantsonan’ny taxi sy moto


  • Alakamisy 09 Jona 2016

Nitohy teo Soarano, anoloan’ny Building Ramaroson ny fanadiovana ataon’ny tanŕnan’Antananarivo omaly alarobia 08 jona, maraina.


Haverina ho toeram-piantsonan’ny fiarakaretsaka sy moto ity toerana ity, raha lasa tsenan’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna teo aloha teo.  Hisy ny fanaraha-maso manokana ireo mpivarotra mbola minia tsy manaraka ity lamina vaovao ity, hoy ny avy amin’ny Fiadidiana ny tanàna. Ny Polisy Monisipaly sy ny «Piqueteur» koa etsy an-daniny, hanatanteraka ny asa izay tandrify azy tsirairay mba hikajiana ny lamina efa napetraka. Notohizana teo afovoan’Analakely, manoloana ny Gastro Pizza, ny fanadiovana sy fandaminana ny hariva. Tanàna madio sy milamina no filamatra, hoy ny tompon’andraikitra ary adidin’ny rehetra no miara-manarina an’Antananarivo.

 

Jean D.

        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT