Nisy baomba natao tanana nipoaka teny Soarano omaly tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva, manoloana indrindra ny tandavantrano misy banky eny an-toerana.
Araka ny re teny an-toerana dia nisy olona roalahy nanao taingin-droa tamin’ny moto scooter ary nandeha tamin’ny arabe tsy azo ifanenana no nanipy ilay baomba. Mafimafy ihany ny heriny raha tarafina amin’ny faritra niendaka amin’ny «béton» teo amin’ny sisin-dalana nipoahany. Fanin-telony tamin’ity omaly ity no nahitana baomba natao tanana teny amin’ny manodidina an’Analakely tato anatin’ny telo andro nisesy. Teo amin’ny hotely Tana Plaza ny alarobia, teo anoloan’ny Institut Français de Madagascar ny alakamisy hariva, dia ity omaly ity ny fahatelo. Maro tamin’ireo nikasa ny hialavoly hanao “Zoma Mahafinaritra” teny Analakely no nanapa-kevitra ny hamonjy fodiana vao nandre ity fipoahana teny Soarano ity. . Ireo tompon’antoka tamin’ny fanapohana baomba tamin’ny 2009 sy 2010 no ahiahian’ny Emmo-Reg ho ao ambadik’izao raharaha izao, na efa nisy aza fikambanana nitonona ho tompon’antoka amin’ity fanapoahana baomba hatramin’ny alarobia ity. Misokatra ny fanadihadiana ka andrasana ny vokany.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.