Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly alahady hariva tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany teny Soanierana manakaiky ny orinasa BATPRO.
Fiarakaretsaka Renault 9 mitondra ny laharana 22..TV no nandona moto scooter avy aoriana, afaka kely an’ilay sampanana miakatra any amin’ny Capsat. Nipitika ilay scooter, nitsirara tamin’ny tany ny mpitaingina azy, nisy ny fahasimbana. Nivoaka ny mpamilin’ilay fiarakaretsaka, nisy koa ny olona nentiny ka ny iray tamin’ireo no nilaza fa tompon’ilay fiara. Nandeha ny fifampiresahana sy ny fifanazavana. Nambaran’ireo nanatri-maso fa efa varimbariny ireo tao anaty taksi, ny iray nilaza fa zandary ary nanindry avy hatrany ka nampiseho ny basy nentiny. Tsy vitan’izay fa nanomboka nanao vavabe sy nandrahona ilay milaza azy fa zandary io. An-kilan’izay, tsy nanaiky lembenana koa ireo niharan-doza niaraka tamin’ireo namany izay nanamarika fa ara-dalàna tsara izy ireo ary tsy nisotro. Hita teny an-toerana tokoa rehefa tonga teny ny mpanao gazety fa henjankenjam-piteny ilay zandary ary nilaza fa hiantso olona hanao « constat », hono. Rehefa hatao anefa ny taratasy dia tsy nety nanome ny anarany indray izy. Nisy tamin’ireo nanatri-maso no naka sary ka izay indray no nampisendaotra an’ilay zandary. Norombahany avy hatrany ny findain’ilay tovolahy iray, nisintaka kosa ny ambiny. Fanararaotam-pahefana tsotra izao no nihatra taminay, hoy ny tompon’ilay scooter sy ireo namany ka tsy hanaiky izahay fa tsy maintsy hitory any amin’ny polisy. Efa mateti-pitranga ny tahaka izao ka hanairana ny tompon’andrakitra. Maro ireo miaramila, zandary, polisy mitondra basy kanefa misotro toaka ka rehefa mamo izy ireo dia mamoa-doza sy miteraka olana ho an’ny fiarahamonina. Izy ireo natao hiaro vahoaka indray mantsy no toa mampihorohoro ny mpiara-belona aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.