Actualités

Soanierana Lasibatra indray ny FJKM


  • Talata 24 Aprily 2012

Valo andro no nomena ny orinasa mpivarotra fitaovana sy kojakoja andavanandro, Burmas etsy Soanierana, hangoronany ny entany.

 Tanin’ny COROI taloha izy ity, no lasan’ny FJKM ary ity farany indray no nampanofa tamin’ity tranombarotra izay niharan’ny fanesorana tsy nisy hatak’andro io. Nanao be midina teny ny vaditany nombana zandary, nampihatra ny didim-pitsarana manala azy amin’ny trano, omaly, fa hoe efa naverina amin’ny fanjakana io tany io. Araka ny fanazavan’ny mpiasa ao amin’io tranombarotra io dia nandany vola amina miliara ilay mpandraharaha tompony, izay teratany vahiny, tamin’ny fanatsarana ny toerana, ary mba nangataka fanalavam-potoana hahafahany mamindra miandalana ny entany, saingy tsy nekena izany. Homena izany Analog (Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat), izay eo ambany fihahian’ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, izany ilay toerana.

Namantam-bonona ny Analog satria dia omaly ihany dia efa napetraka teo amin’ilay trano be eny Soanierana ny takelaka famantarana azy, rehefa avy nendahina ny an’ny Burmas. Mampiasa olona zato mahery ity orinasa ity, ary miahy sekoly mitaiza zaza miisa 50 manana fahasembanana, moana marenina, ary manampy fianakaviana sahirana miisa 1200, isaky ny zoma. Hisy fiantraikany amin’ireo sokajin’olona ity fanesorana ity tranombarotra nanao asa soa tamin’izy ireo ity. Ho an’ny eo anivon’ny Foibe FJKM dia tsotra ny resaka. “Mitohy ny adin’ny FAT amin’Andriamanitra. Nanomboka tamin’ny 17 martsa 2009 izany, ary mitohy amin’ny fanaovana an-keriny amin’ny fananan’ny fiangonana”.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT