Actualités

Soanierana Ivongo Tratra ilay rangahy nitondra vola 13.000.000 Ar nandositra


  • Zoma 20 Mey 2022

Ela ny ela fa tratran’ny mpitandro ny filaminana ihany ilay lehilahy iray nampitondraina vola mitentina 12.700.000 Ar mba omena olona nefa nentiny nitsoaka.

Tany Soanierana Ivongo no nitrangan’izany, herinandro vitsy lasa izay. Nametraka fitoriana avy hatrany tompom-bola noho izany ary nanokatra fanadihadiana ny Polisy ka tratra ilay rangahy .Vola 12. 700 000 Ar sisa no hita tany aminy ary efa nandrombinany nataony sakafo sy nividianany omby ilay izy raha araka ny loharanom-baovao. Naverina tany amin'ny tompony avokoa moa ireo vola ireo sy ilay omby efa novidian'ilay rangahy. Tsy tsara intsony ny mametraka fitokisana aman’olona amin’izao indrindra fa resa-bola. Tena fakam-panahy loatra mantsy izy ary mety hamotika ny fihavanana mihitsy raha mpihavana.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

Hijery ny tohiny
FTT