Ramatoa iray efa 65 taona no naolana lehilahy iray vao 35 taona tao an-
tokantranony tany Ampasimbola distrikan’i Soanierana Ivongo ny faran’ny herinandro teo. Tokony ho tamin’ny 3ora maraina no nitrangan’izany raha ny vaovao azo izay tsy misy ambadika fa tena fanolanana tsotra izao fotsiny. Nitsoaka avy hatrany ilay lehilahy taorian’izany ary tsy hita popoka. Tsy lasa lavitra anefa fa ny antoandron’io ihany dia efa tratran’ny fokonolona tao an-tanàna ity lehilahy ity rehefa nokarohina. Fantatra moa fa hiakatra fampanoavana amin’ity herinandro ity ny tovolahy noho izao fanolanana miaro herisetra nataony tamina Ray aman-dReny izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.