Soanierana-Ivongo – Mananara Avaratra

> Mampiteny ny moana ny haratsian’ny lalana


  • Zoma 20 Septambra 2013

Tena mahazaka ireo mpandeha sy ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-05 iny. Mampiteny ny moana ny haratsian’ny lalana mirefy 121km eo anelanelan’i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra.

Vao miala ny baka iampitana ny reniranon’i Matsokely dia efa manahirana ny lalana izay ifandimbiasan’ny fasika mandrevo, fotaka malama, vato be tsy maintsy iakarana, ary ireo baka tsy maintsy handehanana ao Andrangazaha izay baka tena mampifilafila mpandeha raha tsy miantoka solika sy vola 5.000 Ariary – Fandrarazana – Anove – Manambato – Vahibe. Raha tsara ny andro dia maharitra 15 – 17ora no hanaovan’ny fiara tsy mataho-dalana namboarina manokana ny zotra, raha ao anatin’ny orana sy andro ratsy kosa dia 48ora izany ho an’ireo mpamily sahisahy satria anisan’ny tena manahirana ny lalana ao Manatany sy Ivontaka ary Mahasola. Na eo aza io faharatsian’iny lalam-pirenena faha-05 iny dia misy harena be kosa ireo tanàna andalovana rehetra, na ara-pizahantany amin’ny alalan’ny torapasika sy ranomasina ary ala voajanahary izany, eo koa ireo vokatry ny ala izay mampalaza an’Ambatosoa dia ny hazo voamboana sy ny andramena izany, eo ihany koa ny harena ambanin’ny tany toy ny vato “Cristal” izay ireo Sinoa mpividy izany mihitsy no tonga manorim-ponenana any an-toerana ka mividy izany manodidina ny 80.000-120.000 Ariary ny kilao. Ankoatra ireo dia bizina mandeha ao Mananara Avaratra sy ireo Kaominina manodidina ny lalam-pirenena faha-05, Manompana – Tanambe – Manambato – Sahasoa – Anove – Imorona…, ny lavanila izay mahatratra 70.000 Ariary ny masaka. Ringitra kosa ny jirofo noho ny fampiasana ny raviny hanaovana menaka manitra izay amidy 30.000 Ariary ny litatra.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT