Actualités

Soamahamanina Nisy namaky ny fasan-drazan’i Mamy Ravatomanga


  • Alarobia 21 Jolay 2021

Ny 15 jolay 2021 lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no tonga nanao fampahafantarana ny zandarimaria ao amin’ny Borigadin’i Miarinarivo ny lehilahy iray mponina ao amin’ny Fokontany Antsahalava Kaominina Ambanivohitr’I Soamahamanina,

 fa nisy olona tsy fantatra namaky ny fasam-pianankavian’ny mpandraharaha malaza Atoa Mamy Ravatomanga filoha tale Jeneralin’ny Vondron’Orinasa Sodiat. Vao nandre an’io ny mpitandro filaminana, dia nandefa zandary 4 avy hatrany nijery ny zava-misy sy nanangom-baovao sy nanao fanadihadiana ny toe-javatra niseho, hoy ny loharanom-baovao. Araka ny fahitan’ny zandary azy, dia nisokatra ny fasana, tsy nisy kosa ny razana na taolana nisy nangalatra, fa nataon’ireo olon-dratsy savahao nitadiavana zavatra sarobidy kosa ny razana, hoy ny tatitry ny zandary. Ny zandarimarian’i Miarinarivo no manao ny fanadihadiana, ary nasana zandary roa miambina ny fasana mandra-pahavitan’ny fanamboarana, hoy ny vaovao azo taorian’io toe-javatra io. Nisy ilay rahalahin’ity mpandraharaha fanta-daza ity nodimandry vao tsy ela, ka mety noheverin’ireo olon-dratsy fa nisy zavatra sarobidy nampombana ny maty na nahazo loharanom-baovao momba izany izy ireo, hany ka tonga hatrany amin’ny famakiana fasan’olona. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT