Naato aloha ny asan’ilay orinasa Sinoa mitrandraka volamena any Soamahamanina. Ry zareo no nandray ny fanapahan-kevitra,
hoy ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny solitany Zafilahy Ying Vah izay nihaona tamin’ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara omaly. Tafiditra tao anatin’ny resaky ny roa tonta ny raharaha Soamahamanina ary azo antoka fa antony fototra nampiatoana ny fitrandrahana ny hetsiky ny mponina tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo sy ny fanambaran’ny Fiangonana Katolika ny amin’ny tokony hampitsaharana io fitrandrahana manimba tontolo iainana sy mandrombaka ny tanin’ny Malagasy io. Tsy maintsy jerena tsara raha voahaja na tsia ny bokin’andraikitra, hoy ny minisitra Ying Vah ary tsy maintsy jerena ihany koa ny tombontsoa azon’ny mponina sy ny faritra misy ilay fitrandrahana. Nambarany moa fa hisy minisitra maromaro ho avy any Soamahamanina amin’ity herinandro ity hijery ifotony ny zava-misy marina ka aorian’izay no hahafantarana ny ho tohin’ny raharaha. Omaly ihany anefa dia nanamafy ireo mponin’i Soamahamanina fa takian’izy ireo ny hanafoanana tsotra izao ny fahazoan-dalana hitrandraka volamena azon’ireto Sinoa ireto. Fampitsaharana fa tsy fampiatoana no takianay, hoy izy ireo ary nilaza fa hiady hatramin’ny farany mba hahatanterahan’izany izy ireo, manara-maso akaiky ny raharaha ihany koa ny Fiangonana Katolika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.