Actualités

Soamahamanina Hafanafana anio


  • Alatsinainy 20 Jona 2016

Hanamarika ity andro anio ity ny hetsika hataon’ny katolika eny Soamahamanina, manohitra ny fitrandrahana volamena hataon’ny Sinoa eny an-toerana.

 

 Ho avy hanao famelabelarana eny ny Evekan’i Miarinarivo, Mgr Randrianarisoa Jean Claude sy ny Mgr Rakotondrajao Victor, Eveka mpiandraikitra ny JEP eto Madagasikara. Raha ny filazana naparitaky ny rantsan’ny fiangonana katolika eny an-toerana dia “ho fiarovana ny fananam-bahoaka, ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny tombontsoan’ny besinimaro” no anton’ity hetsika anio ity. Nialoha izao anefa dia re fa iharan'ny fandrahonana sy fampitahorana ireo Eveka Katolika, sy ireo relijiozy miaro ny vahoaka amin'ny fanomezan'ny mpitondra ny sinoa hitrandraka volamena ao Soamahamanina Miarinarivo, izay arovan’ny Fanjakana sy ireo solontenany eny anivon’ny faritra Itasy. Efa an'arivony ny fanangonan-tsonia efa vita, misy no noteren'ny mpitondra nodorana fa dia namerina sonia hatrany ireo mponina ho fanoherana ity fitrandrahana ity. Etsy ankilany, re ihany koa izao fa ho avy marobe any an-toerana ny Emmo-Reg. Misy aza no manao vava fa “alefaso aty izany Evekanareo Katolika izany fa vava-basy no miandry azy”. Niakatra moa ny feo eo amin'ny an-daniny sy ny an-kilany, ka ho hita eo ny tohiny. Na eo aza izany rehetra izany, dia mitohy hatrany fahatongavan’ireo fitaovana maroben'ny sinoa hitrandraka eny an-toerana toy ny fiarabe sy kamiao, kaontenera ... izay arovan’ny mpitandro ny filaminana fatratra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT