Ny talata 19 jolay no nivoaka ny fanapahan-kevitra ofisialy avy amin’ny governemanta fa miato ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina satria maro ny zavatra mbola mila hadihadiana.
Misy koa ny tsy maintsy alamina satria ahiana hiteraka fikorontanana amin’ny fiaraha-monina any an-toerana ity tetikasa ity. Hafahafa ihany anefa ny zava-misy marina any an-toerana ary nosakanana tsy hitrandraka ny vaovao rehetra ny mpanao gazety.
Miasa amin’ny alina ?
Omaly anefa raha tonga nijery ifotony ny zava-nisy tany an-toerana ny mpanao gazety dia tsy afaka nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany fa hoe tsy nahazo alalana, izay tokony ho nangatahana 24 ora mialoha, hoy ny mpitandro ny filaminana niambina ny toeram-pitrandrahana. Raha ny filazan’ireo mponina any an-toerana dia mbola misy ny milina miraondraona amin’ny alina koa manahy izy ireo noho izany fa mbola mitohy hatrany ny fandavahana sy fitrandrahana ataon’ny Sinoa. Mety fampandriana adrisa mba hampitoniana ny hatezeranay fotsiny iny fanapahan-kevitry ny governemanta iny, hoy ireo mponina any an-toerana. Tsy mbola nisy rahateo ny fanaraha-maso avy amin’ny fitondrana foibe nitsirika raha nampiato tokoa ny fitrandrahana nataony na tsia ny Sinoa. Ny hita aza dia toa arovana mafy ilay toeram-pitrandrahana sy ireo Sinoa ao anatiny ary mpitandro ny filaminana mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no miaro azy ireo. Hentitra ireo mponin’i Soamahamanina ary nanamafy omaly fa Sinoa miala tanteraka ao Soamahamanina no takian’izy ireo fa tsy fampiatoana ny fitrandrahana izany fotsiny. Mitohy ny tolona, hoy izy ireo fa tsy avelanay hozimbazimbaina sy hopotehana izany ny tanindrazanay. Tazana tokoa aloha fa mbola ao anatin’ilay « carrière » avokoa na ny fitaovana na ny fiara be na ny trano lay itoeran’ireo Sinoa.Voafitaka ireo namanay sasany nivarotra na nampanofa tany, hoy ireo vahoakan’i Soamahamanina nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, ary tsy tolotolotra kely tsy haharitra taona iray akory no hivarotana tanindrazana ho amin’ny 40 taona manaraka. Raha ny tokony ho izy tokoa aloha dia nandefa manampahefana narahana vadintany nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny fampiatoana ny asa fitrandrahana ao Soamahamanina ny fitondram-panjakana, saingy tsy mbola nisy izany hatry ny omaly aloha ka izay no mampiahiahy ny mponina any an-toerana hoe mody mangina ny Sinoa amin’ny antoandro, saingy manohy asa ihany rehefa amin’ny alina.
Mirija sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.