Lakana iray mpitondra mpandeha saika ho any Soalala no rendrika teny afovoan’ny ranomasina ny alatsinainy teo. Fantatra fa ny tsy fahafantarana ny fandalovan’ilay rivodoza “Hellen” tany an-toerana no naharendrika ny lakana, izay nitondra mpandeha 11. Avotra soa aman-tsara ny sivy tamin’ireo, ny telo kosa tsy hita raha tsy teny amin’ny sisin-dranomasin’i Soalala tao amin’ny Fokontany Maroalika, saingy efa vatana mangatsiaka no hita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.