Ela ny ela fa tratra ihany ny raindahiny amin’ny fisolokiana amin’ny alalan’ny
fandefasana hafatra an-telefaonina na “sms” amin’ny alalan’ny finday. Efa maro ireo olona nahazo hafatra mifono fisolokiana izay milaza fa ‘’ianao dia nahazo fiara sprinter avy amin’ny orinasa Aquamas Mahajanga ka iangaviana hiantso ity laharana ity 03…’’, na ny mitovitovy amin’izany. Maro no efa mahalala fa tsy vitsy ihany koa ireo olona tsy mahalala, ka roboka miantso ilay laharana ary rehefa miresaka eo ilay mpisoloky dia milaza fa mila mandefa vola ilay olona atao solik’ilay fiara hitondrana izany miakatra aty Antananarivo. Henjana ny fandraikiraikena satria fiara iray izao no ambarany fa azonao, hany ka mandefa vola an’hetsiny toy ny tsy tompon’ny tena intsony. Betsaka no efa niharan’ity asa ratsy fisolokiana ity, ka nametraka fitoriana teny anivon’ny Polisim-pirenena tao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (BC Anosy). Niditra an-tsehatra ny eo anivon’ny BC Anosy, nanao ny fanadihadihana ka rehefa natao ny angom-baovao sy ny velapandrika dia tratra teny amin’ny tranony teny Anosibe Angarangarana ity mpisoloky. Marihana fa mifindrafindra toeram-ponenana ity lehilahy ity ka tranon’ny sakaizany ity nahatrarana azy ity, hoy ny mpitandro filaminana. Nanao antso ho an’ny besinimaro mba ho mailo ny Polisim-pirenena, fa betsaka ireo asa manao fisolokiana amin'izao fotoana izao. Zava-dehibe ny fahatrarana ity mpisoloky raindahiny ity satria tsy vitsy ny olona efa nokendreny sy tezitra amin’ny hafatra fisolokiana alefany, ary nimenomenona fatratra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.