Actualités

Sivana amin’ny fampahalalam-baovao Miaro tena mafy ny RNM sy TVM


  • Alatsinainy 04 Febroary 2013

Voakiana matetika amin’ny gazety ny fahitalavi-pirenena sy ny onjam-peom-pirenena noho ny fampahalalam-baovao mitongilana amin’ny mpitondra sy ny sivana atao amin’ny antoko mpanohitra.

 Ny sabotsy teo dia niezaka nanadio tena ny RNM sy TVM manoloana ny vaovao an-gazety milaza fa tsy mahazo mandeha ao amin’ireto orinasan-tserasera ireto indray ny praiminisitra Beriziky taorian’ny tsy fitovian-kevitra teo aminy sy Andry Rajoelina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 30 janoary teo. Na inona anefa ambaran’ny tomponandraikitra amin’ny RNM sy TVM dia resaka fotsiny ny filazana fa malalaka amin’ny asany ireo mpanao gazety. Misy hatrany ny baiko midina ary voasazy izay mamoaka vaovao tsy metimety amin’ny mpitondra.

I Voninahitsy Jean Eugène izao dia nandon-databatra mihitsy raha nilaza ny fanasaziana an’i Njaka Serge, mpanao gazety iray ao amin’ny TVM izay tsy mahazo miteny amin’izao noho io antony io. Ny profesora Zafy Albert ihany koa izay filoha teo aloha dia tsy mbola nahazo ampaham-potoana tao amin’ireo orinasam-panjakana ireo na dia efa nangataka fifanatrehana mivantana amin’ny filohan’ny FAT. Maro amin’ny mpanao gazety sy mpiasa amin’ireo no manohitra ny fomba fitantanana saingy tsy sahy sy tsy afaka manoatra. Efa nivonona tamin’ny zava-pisotro sy tsakitsaky hanaovan-danonana moa ireto farany, tapabolana lasa izay, raha nahare fa hoesorina amin’ny toerana ny mpikambana iray ao amin’ny governemanta izay manao didin’ny besandry ao.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT