Nisy ny fihaonana sy fiaraha-nisakafo teo amin’ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko sy Pasitera Mailhol André Christian omaly.
Voalaza fa nifanakalo hevitra sy niresadresaka raharaham-pirenena. Samy mpisehatra amin’ny raharaha politika ny roa tonta satria ny iray ankoatra ny maha mpitondra fivavahana azy, dia manana ny antoko politikany, efa kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018. Ny iray kosa ankoatra ny maha olom-boafidy azy dia misandrahaka amina lafin-javatra maro : depiote am-perin’asa, Filohan’ny Union Africaine de judo, politisianina, mpandraharaha, manana ny Fondation Siteny sy sekoly, manampy ireo ankizy hita hoe mila fanampiana ary mankasitraka ireo hita fa mahay ihany koa,… Heverina ho misy ny fampitoviana tandin-dokanga ahafahana mijery lavitra momba ny raharaham-pirenena, ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana, ny fiaraha-miasa,… Manitatra ny ambaindain’ny fifandraisany amin’ny sokajin’olona eto an-toerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Siteny Randrianasoloniaiko amin’izao fotoana izao, raha tarafina amin’ireo sokajin’olona nihaona taminy tato ho ato, raha ny sary samihafa mivoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.