Namoaka fanambarana ny Aviation Civile de Madagascar, omaly, nitondrana
fanazavana indrindra mahakasika ny fidirana eto Madagasikara. Araka izany, takiana amin`ireo mpandeha mizaka ny zom-pirenena Malagasy manana pasipaoro, na koa ireo teratany vahiny manana taratasy fahazoan-dalana mipetraka sy monina eto amintsika, hanantona ireo ivon-toeran` ireo kaompania anabakabaka mampifandray an`i Madagasikara amin`ny any ivelany, mba hanao famandrihana mivantana. Ireo teratany vahiny mikasa hitsidika an` i Madagasikara indray, dia afaka maka ny sidina mihazo an`i Nosy Be. Marihana kosa fa tsy mahazo mivoaka an` ity faritra ity izy ireo. Hisy ihany koa fanamarinana hatao amin` ireo fireneny niaviany raha anisan` ireo firenena voarara miditra eto amintsika. Raha izay no zava-mitranga dia manambara ny ACM fa tsara raha manantona mivantana ilay kaompania izy ireo. Ho an` ireo diplaomaty na koa iraka manokana avy amin` ireo vondrona iraisam-pirenena (ONG) dia mila mangataka fahazon-dalana manokana any amin` ny minisiteran`ny raharaham-bahiny (MAE). Ho an` ireo teratany vahiny, mpamatsy sy mpampiasa vola eto Madagasikara manana fahazoan-dalana manokana avy amin` ny Minisiteran` ny asa sy ny lalàna sosialy dia voatery mandefa fahazaon-dalana any amin` ny minisiteran` ny indostria, sy ny varotra ary ny asa-tanana (MICA). Raha maniry hampiditra ny fianakaviany (regroupement familial) izy ireo dia manazava ny ACM fa mila mangataka fahazoan-dalana any amin` ny MICA sy ny MAE ary miankina ny andraikitra ny fahazoana izany. Ho an`ireo maniry hivoaka ny sisin-tanin`i Madagasikara dia tsy voatery maka fahazoan-dalana manokana toy ny “resèrve de l`existence du vol” izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana.
Ireto no kaompania mampifandray an`i Madagasikara amin`ny any ivelany: Ho an`Antananarivo: Air Madagascar sy Air France, izay samy sidina manokana avokoa Ho an` i Nosy Be: Air Austral, Ewa Air ary Ethiopian Airlines.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.