Taorian'ny fandalovan'ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Nosy Be sy fitsidihany ny orinasa Sirama, dia nahavelombolo ireo mpiasa ao amin'ity orinasa ity ny fampanantenany satria dia efa am-polony taona no tsy nihodina intsony ny orinasa noho ny krizy sy ny trosa maro tsy voaloa. Nandritra ny valandresaka nataon'ny Tale jeneralin'ny Sirama, Rtoa Moana Essa tamin'ny mpanao gazety teny Isoraka omaly no nilazany fa maro tamin'ireo trosa no efa voaloa sy nefain'ny mpandraharaha sasany. Miteraka asa fivelomana sy firoboroboana ara-toekarena any an-toerana mantsy ny fihodinan'ny orinasa ka heveriny fa efa miandry izany avokoa izy ireo. Eo ihany koa ny toerana izay natao hambolena fary any Nosy Be izay mila fikojakojana noho ny olana maro samihafa ka tsy mamokatra firy intsony. Amin'izao fotoana izao anefa noho ny ezaka lehibe nataon'ireo mpitantana dia efa manomboka mihodina tsikelikely ny orinasa Sirama ary miandry ny fisokafany ara-dalàna ireo mpiasa.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.