Actualités

Siosion-dresaka hala-jaza Nisavorovoro ny teny Mahazo sy Ambohimahitsy


  • Talata 02 Novambra 2021

Raikitra ny sahotaka teo Mahazo (RN2) omaly tolakandro, ary nitohy teny Ambohimahitsy ny takariva. Fiara tsy mataho-dàlana iray no nosavoritahan’ny olona satria niely ny resaka fa hoe:

 nangala-jaza teny amin’ny manodidina. “Efa novakian'ny olona ny kodiarana aloha sy aorian'io dia lasa nitsoaka any Ambohimangakely any io izao”, hoy ny vaovao niely. “Zaza 7 no tao anaty “malle arrière”, avy eto Mahazo daholo ireo nalainy ireo. Any anaty “Malle” misy zaza efa torana fa sempotra mbola lasany any, 4 ihany no tafavoaka”, hoy hatrany ny resaka niely. Ankoatra ny horonan-tsary moa, dia nisy naka sary ihany koa ny laharan’ilay fiara. Nisy mpitandro filaminana teny an-toerana, ary io no voalaza fa nanampy ilay fiara mba hiala teo amin’ny sakoroka aloha, izay heverina fa mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka. Ny loharanom-baovao hafa rahateo, dia nilaza, zaza nangalatra tratran'ny tompon-trano ireo zaza ireo, iray no tratra ka nanondro ny namany, dia saika hoentin'ilay tompon-trano hamonjy ny borigadin'ny zandarimaria ireto zaza ireto no niantsoantso ny reniny hoe: “mpangala-jaza”. 5 no efa tafiditra tao anaty fiara, ka ny 3 tafavoakan’ny olona. Raha ny vaovaon’ny mpitandro filaminana kosa, dia nanamafy fa "zaza tratra nangalatra ireny zaza tao anaty fiara ireny”. Koa satria tsy nanaiky mihintsy ny fokonolona teny an-toerana fa hoe hovonoina avy hatrany ny tompon'ilay fiara, dia nanapa-kevitra ny mpitandro ny filaminana hitondra azy eny Ambohimangakely, saingy nivadika hoe: nampandosirina ny mpanao ratsy. Misy horonan-tsarin’ilay zazalahikely iray moa naneho, saika hangalatra izy ireo. Tezitra noho izany ireo olona, ka raikitra ny fanakan-dàlana sy ny sakoroka, nandeha ny fandorana hazo teny an-dalàmbe, voasakana tanteraka ny fifamoivoizana,... Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandrava izany, ary namaly tora-bato ny ankilany. Samy manana ny heveriny ho fahamarinana matoa tonga amin’ny sakoroka. Ny zava-dehibe, dia mila mailo sy mitandrina hatrany satria tsy kely làlana ny ratsy, ary malaza rahateo ny resaka hala-jaza toy ny fisiana vazaha iray karohina. Mila lanjalanjaina sy fakafakaina tsara ihany koa anefa ny fihetsika eny anivon’ny fiarahamonina eny mba tsy hihinanana am-bolony ka tsy ho sanatrian’ny vava ny fahadisoam-pijery sy fandraisana zavatra iray no hitera-doza kanefa azo sorohana. Ny tohin’ny fanadihadian’ny manam-pahefana no hamaritra ny tohiny!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT