Actualités

Simba teny an-dranomasina ny sambokely Mpiondrana antsokosoko 4 ho any Mayotte maty…


  • Alarobia 03 Novambra 2021

“Botry iray avy any Ambanja nikasa hanondrana olona an-tsokosoko ho any amin’ny Nosy Mayotte no tratran’ny Tafika an-dranomasina teny amin’ny manodidina ny Nosy Iranja omaly 02 novambra.

 Olona 16 no hita tao anatiny, ka zaza ny 3 tamin’izy ireo ary teratany frantsay ny 1. Nahitana vatana mangatsiaka 1 ihany koa tao anatin’ity botry ity. Manoloana izany dia norasain’ny Tafika an-dranomasina sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana an-tanana avy hatrany ny fanavotana sy fitsaboana ireo olona tao anaty botry izay hita fa tratran’ny tsy fahampian-drano sy tsy fahampian-tsakafo”, hoy ny tatitry ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena omaly alina. Araka ny fampafantarana izay nataon’olona tsara sitrapo izay manao asa fitaterana amin’ireny sambo lehibe ireny tamin’ny tafika an-dranomasina tao Nosy Be no nahafantarana fa simba ny maoteran’io “vedette” io nandritra ny andro maro ka nila vonjy, hoy ny fanampim-baovao. Nisy kosa ny loharanom-baovao hafa nilaza fa mpandeha antsokosoko 20 no tao anatin’ny sambo, fa ny 4 dia namoy ny ainy avokoa. Tsy vao izao ity resaka fiondranana an-tsokosoko ity. Raha hiverina lavidavitra, dia efa nisy moa ny tranga mitovitovy ity ny oktobra-novambra 2020, ka narian’ireo namany tany anaty rano izay maty. Ny 18 oktobra 2020, niainga tao Nosy Be ny sambokely iray, saingy tavela teny ambony ranomasina satria maty tsy afaka nandeha. Olona 21 ny tao anatiny ka miisa 8 be izao nahitana zaza sy vehivavy bevohoka ary niampy ny mpamily iray an'ilay sambo no maty noho ny hanohanana sy harerahana. Ny 11 novambra 2020 vao nisy Sambo mpanjono nahita ilay sambo maty ary efa reraky ny hanohanana tanteraka ireo mpandeha sisa velona tao anatiny, ireo olona maty kosa efa tsy tao intsony fa efa natsipin'ireo mpandeha namany tany anaty ranomasina. Raha ny tato ho ato indray, ny alin’ny 15-16 septambra 2021 teo, mpitsoa-ponenana miisa 120 izay nahitana Malagasy 53 no tratran’ny borigady an-dranomasina mpiaro ny sisin-tany atsy Mayotte. Tsy niandry ela fa 24 ora tao aorian’ny nahatratrarana azy ireto dia naverina nody an-tanindrazana avy hatrany, tamin’ny alalan’ny sidina anabakabaka manokana, ary narahina polisy mpiaro ny sisin-tany. Taorian’io, dia mbola nisy ihany koa mpiondrana antsokosoko manodidina ny 43 teo saron’ny mpitandro filaminana Malagasy, ary voalaza fa nisy fikasana handoa kolikoly an-tapitrisany maro, saingy nolavin’ny zandary. Mety ampahan-javatra ihany ireny, fa na ny Praiminisitra teo aloha izay nohelohin’ny fitsarana Malagasy aza, dia voalaza fa niondrana tamin’ny “vedette” nakany Mayotte, avy eo nisidina nakany Eoropa. Mibanaka ny sisin-tany. Ny fanondranana olona ireny mitranga ireny fa ny harem-pirenena mety tsy lazaina intsony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT