Sikonina Victor

> Niala tamin’ny fahanginany


  • Talata 22 Oktobra 2013

Amin’izao fampielezan-kevitra madiva hifarana izao, maneho hevitra momba ny fahitany ny fifidianana i Sikonina Victor, ambasadaoro Malagasy any Chine sady filoha lefitry ny antoko PFM.

Aminy dia mampiavaka ity fifidianana indray mitoraka ity ny volabe afafin’ny kandida maro sy ny kabary tsy misy hena-maso, tsy misy fanajana ny vahoaka malagasy tompon’ny fahefana. Kianiny ny fireharehan’ny kandida sasany ho manana traikefa amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. “Manana traikefa amin’ny fivangongoam-pahefana ny fahefana ho an’olom-bitsy sy akamakama ny fanohizana ny gaboraraka na tantely afa-drakotra sy tsy maty manota ary ny famakivakiana ny tafika sy mpitandro filaminam-bahoaka”, hoy izy mametra-panontaniana. Notsoriny fa tsy misy azo antenaina amin’izay filoha lany eo satria tsy miova ny rafitra. Nohamafisiny fa tsy misy lalana mahomby hitondra ho amin’ny fandrosoana raha mbola rafi-pitondrana manilika ny hery sy zotom-po, izay tandra vadin-koditry ny fivangongom-pahefana”. Amin’ny maha Federalista azy moa dia ny fitondram-panjakana isam-paritra no voiziny ary heveriny fa rafitra tena mampandroso. Sokajiany ho mirediredy na mikasa hanao ampihimamba ny vola sy ny fananam-pirenena rehetra ireo kandida mampanantena hanamboatra fotodrafitrasa samihafa sy hanova ny fiainan’ny vahoaka ao anatin’ny fotoana fohy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT