Manamarika ny foibem-pitantanan’ny fadin-tseranana fa tsy nampandrenesina mba
hanao ny fitsirihana sy ny firaiketana an-tsoratra 24 ora mialoha toa ny mahazatra iarahana amin’ny polisin’ny sisin-tany (PAF) sy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana momba ireo volamena nivoaka teny Ivato ka sarona tany Afrika Atsimo. Tsy nisy mpiasan’ny fadin-tseranana na ny ladoany izany teny an-toerana tamin’io fotoana io, ka dia ny teo anivon’ny polisin’ny sisin-tany (PAF) irery ihany no niasa sy nandray an-tànana ny fombafomba arahina eny amin’ny seranam-piaramanidina. Efa nanomboka ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa ny fampiatoana ny fanondranana volamena, izany hoe tsy ara-dalàna ny fanondranana, ary tsy nahazo alalana amin’ny lafiny rehetra, hoy ny fanampim-panazavana. Ankoatra ireo voasambotra, dia olona maro no efa andalam-pamotorana. Milaza mbola hitondra fanampim-panazavana misimisy kokoa amin’ny manaraka ry zareo avy ao amin’ny fadin-tseranana. Andrasana ny tohiny fa tena avo lenta ity raharaha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.