Actualités

Setroka nivoaka tamin’ny haram-bato Hisy fanadihadiana ara-tsiantifika hatao any Tritriva


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Misy zavatra hafaha miseho ao amin’ny haram-bato manamorona ny farihin’i Tritriva, 15 km tsy hidirana an’Antsirabe. Ny alakamisy teo no nanomboka niseho ity trangan-javatra hafahafa ity

hoy ny vaovao ka maro ireo olona efa tonga nijery izany. Mandeha araka izany ny feo sao sanatria velona indray ilay volkano tao ambanin’ity toerana ity ka mahatonga ilay setroka mivoaka. Tsy tongan’olona tsotra mantsy eo anelanelan’ireo harambato ireo ka ahiana mety hisy zavatra hirehitra. Hisy araka izany ny fanadihadiana ara-tsiantifika hatao manoloana izao hafahafa izao hahalalana ny tena zava-misy marina hoy ny loharanom-baovao. Toeram-pitsangatsanganana moa no tena hahalalana an’i Tritriva hatramin’izay. Manintona mpizahan-tany vahiny maro izy raha mahatratra 160 metatra kosa ny halaliny. Ankoatra izay dia toerana mifono misitery ihany koa izy ary feno tantara avy amin’ny lovan-tsofina manodidina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT