Actualités

Serge Zafimahova Milaza ny fototry ny olana amin’ny famatsiana solika !


  • Zoma 17 Jona 2011

Tsy mbola mivaha raha araka ny fahitana azy ny famatsiana solika eto an-drenivohitra na dia teo aza ny fepetra efa noraisin’ny mpitondra sy ireo vondron’ny mpanafatra sy mpivarotra solika.

Ho an’i Serge Zafimahova dia tarazon’ny lesoka tamin’ny fanatanterahana ny fisintahan’ny fanjakana tamin’ny solima izao olana mitranga izao. Nomarihany fa kely dia kely ny petra-bola na ny anjaran’ny fanjakana tamin’ireo lot 4 (A B C D) nizarana ny Solima fa dia ny vahiny no nahazo ny ampahany betsaka, izany hoe ireo kaompania vahiny no afaka manjaka sy manana ny teny farany amin’ity resaka fanafarana sy fivarotana solika ity eto amintsika. Araka ny filazany dia tokony hanana fahafahana sy fahefana misoroka ny olana tahaka izao ny fanjakana, saingy rehefa kely ny anjara petra-bolany ao amin’ireo kaompanian-tsolika misy eto dia tsy afaka ny hibaiko izany mihitsy ny fanjakana, ka sarotra ny manara-maso ny zavatra ataon’ireo orinasa vahiny. Nanampy trotraka koa ny fielezan’ny feo hoe tsy ampy, na tsy misy ny solika ka nampikoropaka ny mpanjifa.

Notsipihan’i Serge Zafimahova fa nanakorontana ity fandraharahana solika ity ny fanaovana «subvention» ka nametrahana ilay «taux unique» teo amin’ny tsenam-bola vahiny dia ilay hoe 1 dôlara mira 2000 ariary amin’ny fividianana solika no resahana eto. Tsy maintsy namoaka vola hatrany amin’ny 40 miliara ariary ny Banky foiben’i Madagasikara noho io fepetra noraisin’ny fanjakana io, hoy i Serge Zafimahova. Tsy nahavaha olana anefa izany fa vao mainka nampitombo ny fahasahiranana.

Etsy ankilan’izany dia samy te hahazo tombontsoa avokoa na ny fanjakana izay maka hetra avy amin’ny fanafarana solika amin’ny alalan’ny Tahiry fikojakojana ny lalana na FER na ny GPM na ny GPGLSS koa izany no anton’izao olana amin’ny resaka solika izao raha araka ny fanambarany ihany.  Ho an’i Serge Zafimahova dia tsara kokoa ho antsika ny manana toerana fanadiovana solika ka solika tsy voadio no hafarana avy any ivelany dia diovina eto an-toerana, izay no moramora kokoa, araka ny filazany fa raha mbola solika efa voadio no hafarana dia ho lafo ary mety mbola hihalafo aza izany vidiny izany. Ny namaranany ny fanazavan-keviny moa dia ny hoe mila mailo ny rehetra fa raha tsy voafehy ny olana tahaka izao dia mety hiampita sy hitatra any amin’ny sehatra hafa ka mety hisondrotra koa atsy ho atsy ny vidin’ny zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT