Serge Zafimahova

> “Hitotongana hatrany amin’ny 35% ny sandan’ny vola Malagasy”


  • Talata 11 Martsa 2014

Araka ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova, mpahay toekarena dia hitotongana hatrany amin’ny 35% ny sandan’ny vola malagasy rehefa miverina ny fiaraha-miasantsika amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny FMI.

Tsotra be ny hataon’ny FMI eto amintsika hoy izy, ary zavatra efa natao tany Gresy ka sady ampidinina ny sandam-bola no mbola asaina mifehy kibo ny fanjakana. Ahiana ny hampihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana, hoy i Serge Zafimahova raha manaraka drafitra apetraky ny mpamatsy vola isika. Hanaiky ny ampiharana ny vidiny tena izy ireo mpamatsy vola kanefa tsy ho zakan’ny Malagasy izany ary dia mety ho avy amin’izay ny korontana sy ny savorovoro hitondra mankany amin’ny fipoahana ara-tsosialy goavana. Tsy tokony ho variana amin’ny ady toerana sy adilahy politika isika, hoy hoy i Serge Zafimahova fa mandinika tsara ny fomba hifampiraharahana amin’ny mpamatsy vola, ka na misy aza ny fampihenan-danja ny Ariary dia tsy maintsy karohana ny fomba hifehezana ny toekarena mba tsy ho mafy loatra any amin’ny vahoaka ny fiantraikan’ilay izy.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT