Iniana halavaina ny tetezamita amin’izao fotoana izao. Efa hatrany am-piandohana no nahatsikaritra izany ireo mpikambana eo anivon’ny Cnosc ka izany no mahasarotra ny fitadiavana vahaolana, hoy i Serge Zafimahova.
Noraisiny ho ohatra ny fomba fandikana ny fanapahan-kevitry ny SADC. Samy mahafantatra ny rehetra, hoy izy fa ny fihaonamben’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC no tompon’ny teny farany, tompon’ny fanapahan-kevitra kanefa dia iniana tsy fantatra izany ka dia mampisavoritaka ny rehetra. “Tsy fanapahan-kevitry ny SADC iny taratasy nosoratan’ny Dr Tomaz Salomao iny fa fiheverany manokana fotsiny ihany ka tsy tokony hasavoritaka ny saim-bahoaka. Raha handamina zavatra isika dia tokony ho ny marina no hazavaina”, hoy ihany i Serge Zafimahova. Ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC, araka ny fanazavana ihany no manome fahefana ny Troïka, izay tarihin’i Afrika Atsimo amin’izao fotoana izao, hitarika ny asa.
Ny Troïka indray no manome alalana ny mpitarika ny fanelanelanana dia ny filoha Joaquim Chissano izay nandefa iraka roa, anisan’ireny
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.