Nisy ny fampitam-baovao manodidina ny famotorana mikasika ny “Radion’ny Gasy” niainga avy ao amin’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ao Ambohitsorohitra, ny 27 Febroary teo, ary tonga teny anivon’ny trano fanoratana gazety samihafa teto an-drenivohitra.
Tsy tao anaty lisitry ny nahazo, toy ny mahazatra, ny Tia Tanindrazana fa nahita ihany rehefa nikaroka. In-droa miantoana io fampitam-baovao ho an’ny mpanao gazety io milaza fa ny “Direction de la sécurité du territoire” na DST, miankina mivantana amin’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, dia mampahalala fa, ankoatra ireo olona efatra izay efa voasambotra tamin’ny raharaha “Radion’ny Gasy”, dia mbola nisy olona enina hafa ihany koa vao nosamborina farany teo mikasika ity raharaha ity ihany.
Nisy anaran’olona enina notanisainy araka ny nanoratany azy manaraka izao : “Atoa Zakakely, Depiote TIM teo aloha izay voafidy tao amin’ny Boriborintany I teto Antananarivo, Atoa Randriamandimbisoa Félix, Depiote TIM teo aloha izay voafidy tao amin’ny Boriborintany faha IV teto Antananarivo, Atoa Jaona, “Gérant”-n’ny Toby fivarotan– dasantsy Galana etsy Ampitatafika, Rtoa Clarisse, Filohan’ny Fokontany teo aloha tetsy Nanisana, Rtoakely Tantely, Tomponandraikitry ny Akany FJKM fitazaina zaza kamboty etsy Ambohimitsimbina, Rtoa Dokotera Harisoa, anisan’ireo tanana an-kavanan’Atoa Ravalomanana Marc, vadin’ny Depiote TIM teo aloha Rakotonirina Lova, izay efa voasambotra”. Ankoatra izay, dia mbola misy olona efatra hafa karohina ankehitriny, izay efa nandefasana fiantsoana ho tonga eny anivon’ny DST, izay voarohirohy ihany koa amin’ity raharaha “Radion’ny Gasy” ity.
“Fanohintohinana ny filaminana anatiny ny Firenena” no heloka bevava hanenjehana ireo olona rehetra izay voarohirohy amin’ity raharaha ity ka ny alakamisy na ny zoma ho avy izao no hatolotra ny tonian’ny mpampanoa lalàna ireto olona voasambotra rehetra ireto. Ny androtr’io ihany anefa dia nitondra fanitsiana momba ny fampitam-baovao nataony ny avy ao amin’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, fa hoe : araka ny vaovao farany voaray dia ankoatra ireo olona efatra izay efa voasambotra tamin’ny raharaha “Radion’ny Gasy”, dia mbola nisy olona roa hafa voasambotra dia ireo olona roa voalohany voatonona anarana etsy aloha fa ny efatra ambiny dia mbola karohin’ny mpanao famotorana amin’izao fotoana izao.
Endrika iray isehoan’ny kitoatoa io, nefa seraseran’andrim-panjakana lehibe eto amin’ny firenena. Fa ny tiana hisarihana ny saina dia ireto lafin-javatra ireto : eo ny amin’ny fanajana ny zon’ny voampanga amin’ity raharaha ity. Eto moa izany dia noviraviraina tanteraka ny anarana sy ny mombamomba ireo olona ireo. Fa ny tena mba mahalasa ny saina dia ny amin’ny fitateran’io serasera io hoe : “Rtoa Dokotera Harisoa, anisan’ireo tanana an- kavanan’Atoa Ravalomanana Marc, vadin’ny Depiote TIM teo aloha Rakotonirina Lova, izay efa voasambotra”.
Ny fanamarinam-baovao natao dia mandiso tanteraka ny filazana fa mpivady ireo olona voalaza anarana ireo. Fanomezam-baovao taiza, sa bokin’ny sora-piankohonana inona no nahafahan’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita namoaka fa mpivady ireo ? Mba azon’ny tao Ambohitsorohitra an-tsaina ve ny fiantraikan’io tatitra ataon’izy ireo io amin’ny fianakavian’ny andaniny sy ny ankilany, izay sady vaovao tsy marina no fanalam-baraka tsotra izao. Ity izany no poforo iray mitohoka amin’ny tenda indray, fa miainga amin’ny honohono sy resaka tsy hita fototra no isamborana olona mitranga amin’izao fotoana izao. Tsy mahagaga raha miseho lany etsy sy eroa ny hetsi-panoherana izao fitondrana izao, tsy eto an-drenivohitra fa hatrany amin’ny Faritra ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.