Nisokatra nanomboka omaly maraina tetsy amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny
Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna ny atrikasa fiofanana miompana amin’ny serasera. Natao izany mba hampahafantarana ireo lehiben’ny fampanoavana manerana an’i Madagasikara ny tontolo tokony hifampiresahana amin’ny vahoaka raha misy ny zavatra iray miseho anaty tontolon’ny fitsarana. Tokony hipetraka tokoa ny fifampitokisana eo amin` ny roa tonta hahatratrana ny tanjona iraisana. “Anisan’ny tamberin’andraikitra tokony ataon’ny mpitsara sy ireo rehetra misehatra anatin’ny tontolon’ny fitsarana ny vahoaka, ny fanaovana tatitra mahakasika ny raharaham-pitsarana iray raha toa ka tena ilaina izany” hoy Rtoa Raby Savatsarah Aina, talen’ny kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana. Araka izany, hiompana amin`ny fanatsarana ny serasera eo anivon` ny ambaratonga misy eo amin` ny fitsarana hisorohana ny olana samihafa miseho amin`izao fotoana izao manodidina ny asam-pitsarana ny atrik`asa. Hateloana no hanaovana ny fiofanana, ary ireo lehiben’ny fampanoavana manerana an’i Madagasikara no hisitraka azy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.