Actualités

Seranantsambon’I Toamasina Hiasa ny fiandohan’ny 2023 ny “scanner” miisa roa


  • Zoma 25 Novambra 2022

Afaka hiasa manomboka amin’ny fiandohan’io taona 2023 io ireo “scanners” miisa roa apetraka ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.

Hampiasaina hoenti-manatanteraka ilay fanamby “100% scanning” izay apetraky ny fadin-tseranana io, raha ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneraly Zafivanonana Ernest Lainkana. Ny faran’ny volana desambra no heverina fa ho vita tanteraka ny asa fametrahana azy io. Handeha ho azy ary ho voatily manontolo avokoa ireeo kaontenera rehetra miala ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina mialohan’ny fametrahana fanambarana mikasika azy. Tafiditra ao anatin’ireo tetikasa 31 ao anatin’ny drafitra stratejikan’ny ladoany hahatonga azy ho maoderina kokoa hatrany moa io. Tanjona ny hanafainganana ny asa izay tombanana ho ao anatin’ny 3 ora monja dia vita, fa eo ihany koa ny fanatsarana ny fanaraha-maso eny amin’ny ladoany. Hahatratra hatrany amin’ny 75% ny tahan’ny fahombiazan’ny fanaraha-maso, raha ny fanamarihana. Nambara fa hivelatra amin’ireo seranantsambo rehetra iodinan’ny fifanakalozana iraisam-pirenena ity “100% scanning” ity, ka ho an’ny Seranantsambon’I Mahajanga dia efa am-perinasa io. Vinavinaina ho 4 786,16 milliards Ariary moa ny hetra anatiny ary 4 236,1 miliara Ariary kosa ho an’ny haban-tseranana ho an’ny taona 2023, raha ny voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 na PLFR 2023. Raha ny tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny fadin-tseranana tamin’ity herinandro ity. Nahatratra 2 816,9 miliara Ar ny vola nampidirin’ny ladoany Malagasy tao anatin’ny 10 volana voalohan’nyy taona 2022.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT