Seranan-tsambon’i Toamasina

> Vonona hiatrika fifaninanana


  • Sabotsy 01 Martsa 2014

Fitsidihana voalohany nataon’Atoa Rajaonarimampianina Hery tao Toamasina taorian’ny naha filoham-pirenena azy omaly. Tamin’ny folo ora maraina no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ny fiaramanidina nitondra azy sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny fiaramanidina manokana, ary niala tao Toamasina tamin’ny iray ora sy sasany.

Nandritra ny adin’ny telo nijanonany tao Toamasina dia anisan’ny notsidihan’ny filoha manokana ny seranan-tsambon’i Toamasina izay miditra amin’ny fanatsarana ny ambaindain’ny faritra misy azy nanomboka tamin’ny taona lasa. Asa izay efa miditra amin’ny 80% ny fahavitany ankehitriny, ary heverina fa ho vita tanteraka ny fanamboarana ireo toerana roa fanaraha-maso ireo kamiao sy ny entana, ireo toerana malalaka fametrahana kaontenera sy fiara ary kojakoja samy hafa ny volana aprily ho avy izao, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny SPAT Avellin Christian Eddy. Nojeren’ny filoha ihany koa ny fanitarana ireo fiantsonan’ny sambo mpitondra kaontenera eo anivon’ny “Mole C” sy fandraisana sambo mpitondra fiara sy mpizahatany eo amin’ny “Mole B” ary ny fanitarana hatao hatreny amin’ny fari-dranomasina avaratra atsinanan’ny seranantsambo (Barrière de corail), asa izay tafiditra amin’ny tanjon’ny taona 2035 ny seranan-tsambo. “Efa ao anatin’ny fifanarahana amin’ireo mpamatsy vola nanaiky ny hanohana ny seranan-tsambo amin’izao fandaharan’asany izao ny fanjakana Malagasy ankehitriny, mila mivonona amin’ny fifaninanana aty amin’ny fari-dranomasina Indiana sy Afrika atsinanana mantsy isika”, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka miisa efatra izy ireo. Tsy nambarany anefa na fantatra aza ny iray amin’izany dia ry zareo japoney izay efa nanao dinikasa niaraka tamin’ny seranantsambo, ary efa vonona hatramin’ny taona 2008 saingy ny krizin’ny taona 2009 naharitra dimy taona no nanakana ny resaka rehetra sy nahatonga ny fahataran’ny asa fanitarana natao rehetra. Ankilan’ireo, misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’Ambatovy ka nisian’ny dinik’asa nataon’izy ireo tao Toamasina naharitra ora iray mahery. Tsy nasiana resaka aloha ny mikasika ny fanovana ny fifanarahan’ny fanjakana Malagasy sy Ambatovy nampisy resaka nandritra ny fampielezan-kevitra. Ny momba ny fiompiana akoho fakana nofony hovatsian’Ambatovy ho an’Ambatovy hitranga ny volana jolay sy septambra no nifampiresahan’ny roa tonta. Teo koa ny famerenana ny handorana ireo “Ammoniac” ao Betainaomby an’ny ZEREN teo aloha izay natsahatra noho ny olana teo anivon’ny Sekretera jeneralin’ny tetezamita teo aloha sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana tamin’izay ary ny Ambatovy manokana. Nasian-dresaka koa ny momba ny delestazy izay efa manomboka mivaha araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. Hisy koa ny fiaraha-miasa amin’Ambatovy amin’ny fanoloana sy fanamboarana ireo gropin’ny Jirama simba sy efa tsy afa-mandeha intsony. Ny fanamboarana ny tsena Bazary Be kosa dia mandeha ny asa ary amin’ny volana jona no hahavitany sy hitokanana azy araka ny fanazavana azo. Ankoatra izay, hisy koa anefa ny fanadiovana ny tanànan’i Toamasina hiarahana amin’Ambatovy, satria tsy mendrika an’i Toamasina ny loto be mameno tanàna toy izao, hoy hatrany ny filoha, tao Toamasina.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT