Seranan-tsambon’i Toamasina

> Nivadika am-pitoerana ny sambo “NOA”


  • Alarobia 05 Martsa 2014


Tranga tsy dia fahita eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina no nanjo ity sambo mpanao fitaterana manao zotra Toamasina – Sainte Marie – Mananara Avaratra – Maroantsetra – hatrany SAVA, antsoina hoe “NOA” ny sabotsy tolakandro teo tokony ho tamin’ny dimy ora hariva. Raha teo am-panaovana ny fampidirana ireo entana tokony hoentiny mianavaratra mantsy ity sambo kely ity no nivadika tampoka teo amin’ny toerana nisy azy tao amin’ny “Quai plage”. Niongana tao anaty rano avokoa ireo entana tokony hoentina mianavaratra, ireo tsy lasa anaty ranomasina kosa dia lenan’ny rano ka tsy nisy azo noraisina intsony. Ho an’ny tompon-tsambo nijery ny fahavoazana, izay nohamafisin’ireo mpahay momba ny fitaterana an-dranomasina, dia noho ny ranomasina nidina ambany ka nikasika tany ny familiana ny sambo ao amin’ny fanambaniny izay somary lava ihany no antony, araka ny fanazavana. Na izany aza dia milaza ireo mpahay momba ny fitaterana an-dranomasina fa misy tsy fetezana ny fanambanin’ity sambo ity noho ny entana nihoatra amin’ny tokony ho zakany, no nahatonga izao fivadihany teo am-pitoerana izao. Tombanana ho 3 miliara Ariary ny entana tao anatin’ity sambo nihilana ho azy ity, izay mbola miankina amin’ny trano fiantohana ny fanarenana azy. Fahavoazana goavana ho an’ny tompon-tsambo ny hanonitra ny volan’ny tompon’entana. Ankoatra izay, dia tara tamin’ny vonjy voina tokony ho nataony ny teo anivon’ny seranan-tsambo, satria 25 minitra taorian’ny antso vonjy nataon’ny komandan’ny sambo vao tonga ny mpamonjy voina teo anivon’ny SPAT, ka vao mainka nanamafy ny fahavoazan’ilay sambo kely “NOA”. Vokatr’ity fivadihan’ny sambo kely ity dia nandoto ny ranomasina satria ankoatra ireo entana tao nanatin’ny sambo niparitaka, dia niparitaka tao anaty ranomasina ihany koa ny solika tao anatiny.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT