Actualités

Seranan-tsambo 7 eto Madagasikara 41 isa monja no sambo afaka nandalo


  • Zoma 06 Aogositra 2021

41 isa monja no sambo afaka nandalo tao amin’ireo seranan-tsambo iraisam-pirenena miisa 7 eto Madagasikara nandritra iny volana jolay iny.


 Nahitana fihenana izany raha mitaha ny tamin’ny volana ambony. Tsiahivina fa noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amin’ny firenena dia ireo sambo mpitatitra entana amidy izay miantoka ny famatsiana filana fototra ihany no nomena alalana handalo ao amin’ireto seranana ireto. Ireo sambo hafa toy ny sambo fitsangatsanganana, sambo mpandeha, sambo fahafinaretana, ny botry dia voarara tsy hiditra ny seranan-tsambo Malagasy avokoa. Anton’ny fihenan’ireo sambo nandalo teto izany rehetra izany, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitry ny seranana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT