Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Ramatoa tale ao amin’ny Socolait nosamborina


  • Zoma 01 Aprily 2011


Vao nigadona avy any Maorisy ny ramatoa iray tale eo anivon’ny orinasa Socolait omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany dia nosamborin’ny zandary sy ny polisy. Araka ny tsiliantsofina dia nisy “clients” maromaro nitory ity ramatoa ity satria voalaza fa tsy hita ny volan’izy ireo izay tokony ho naloa tamin’ny orinasa manodidina ny 5 miliara iraimbilanja na iray miliara ariary. Tany Maorisy ity ramatoa ity no nipetraka, fotoana vitsy lasa izay. Voalaza fa toy ny zanaka an-tranon’ny Karana izay tompon’ny orinasa mihitsy izy satria an-taonany maro no efa niasa tao ary anisan’ireo tena nitokisana. Taorian’ny fitorian’ireo “clients” ireo dia sahy niverina an-tanindrazana ny tenany. Araka ny loharanom-baovao mantsy dia misy mpanao politika ambony miaro azy amin’izao toe-javatra mahavoarohirohy azy izao. Omaly izy dia nentina avy hatrany teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava eny Anosy. Raharaha roa no fantatra fa miandry azy amin’ny famotorana izay atao. Aorian’izay dia fantatra fa hohenoina eny amin’ny zandary eny Fiadanana indray izy satria eny no voalaza fa nametrahan’ireo olona nitory azy mikasika ity vola iray miliara ariary ity.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT