Maka toerana tsikelikely eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato ny Amerikanina. Ry zareo indray mantsy no handray an-tanana ny resaka fitiliana sy fisavana.
Hiantohany ny filaminan’ny sidina tonga sy mivoaka eny an-toerana. Miova manaraka izay ny fandaminana eny an-toerana, hanamafisana ny fiarovana sy ny fandriampahaleman’ny mpandeha ihany koa. Anisan’ny fiovana tsikaritra eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato tato ho ato izao dia ny mpandeha na ireo hiainga na ny vao tonga ihany sisa tafiditra ao anaty trano (Hall). Mijanona aty ivelan’ny trano avokoa ny mpanatitra na mpitsena. Misy polisy avokoa ireo varavarana roa ahafahana miditra ao anatin’ilay tranobe, ho an’ny zotra iraisam-pirenena, ohatra, ka ny varavarana iray natao ho fidirana fotsiny ary ny faharoa natokana hivoahana fotsiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.