Actualités

Sendra izay reny zava-doza Norarahana rano mahamay ny fivavian’ilay zazavavy


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Misy mahavanon-doza ny Reny na dia Reny nitondra sivy volana an-kibo izao aza. Porofon’izany ny fahoriana niainan’i Lefitra, ilay zazavavy kely vao 9 taona monja mipetraka ao Ankakafotra, distrikan’Ambositra.

Maratran-dReniny hatrany ity zaza ity isan’andro hoy ny vaovao. Maty daroka, tsongo, raha efa norarahany rano mahamay ihany koa ny fivaviany, tranga izay niainany isan’andro. Feno ratra avokoa ny vatan’i Lefitra noho izany. Na izany aza mbola novelesin-dReniny efa saika tsy nisy aina intsony izy teny an-tanimbary ka vehivavy iray no nitondra azy namonjy ny hopitaly ary nampandre ny mpitandro ny filaminana. Voatery nanaovan’ny zandarimariam-pirenena fanadihadiana ilay Reniny noho izany ka nambarany fa maditra hono i Lefitra. Nangalatra 1.000 Ar hono izy, tranga izay mety hoataon’ny ankizy rehetra. Manan-jandry lahikely anefa i Lefitra raha zanaky ny Reniny manokana kosa izy. Raha araka ny fantatra moa dia tapaka ihany koa ny tanan’ity zaza ity, folaka ny tongony sy lohalikany vokatry ny hazo mafy nikapohana azy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Vatofotsy moa ity zaza tsy manan-tsiny ity amin’izao fotoana izao. Raha araka ny fantatra hatrany dia hoentin'ny dadabeny hody any Andranovorivato izy rehefa sitrana soa amantsara. Miantso ireo malala-tanana afaka hanampy an’i Lefitra kely araka izany ny Ben’ny tananan’Ambositra renivohitra mba hifanome tanana amin’izy ireo.
Pati
Legende : Tahaka izao no nanjo ilay zaza tsy manan-tsiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT