Actualités

Sendikan’ny polisy 4 taona tsy nandray karama ny sekretera jeneraly


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Manana olana ankehitriny ny sekretera jeneralin’ny federasionina sendikalin’ny polisy nasionaly Malagasy na FESPONAM,

hoy ity sekretera jeneraly ity, Andriamiamina Alphonse. Mikasika ny fampanarahan-dalana na “régularisation de la citation administrative” izany, hoy izy. Efa nahazoana didim-pitsarana ny 10 septambra 2005 io. Efa notakiana hatramin’ny ela ny hanatanterahan’ny minisitry ny polisy sy ny fitantanan-draharaham-panjakana azy io. Miziriziry tsy mety manatanteraka izany hatramin’izao ny minisitera sy ny fitantanana ny maha olona na “direction des ressources humaines”. Ny taona 2014 no nitakiana voalohany ny amin’ny hampiharana io didim-pitsarana io. Mbola DRH tao amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka tamin’izany ny minisitra ankehitriny. Efa nandeha teo amin’ny minisitry ny fitantanam-bola io dosie io ary efa nahazo alalana na “visa” in-droa teo anatrehan’ny fitsirihana ara-bola na “controle financier”. Miandry ny sonian’ny minisitry ny filaminam-bahoaka izany sisa. Mitaky sy miangavy amin’ny minisitra izahay mba hanana fahatsoram-po, hitsinjo ny mpiasa eo ambany fiahiany. Na mpitarika sendika aza izahay tsy tokony heverina ho fahavalo fa mpiara-miasa. 4 taona no tapaka karama noho ny fampiatoana tsy ara-drariny izahay, hoy hatrany ny tenany, ary efa natonona daholo ny ambaratongan-drafitra rehetra fa ny minisitra sisa no tsy nanasonia nefa didy tsy azo ivalozana io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT