Tontosa ny fivoriamben’ny Sendikan’ny mpitsara Malagasy na SMM tany Fianarantsoa sy Toliara raha ny tatitr’izy ireo tetsy amin’ny biraony tetsy Ankorahotra .
Nanao tatitra sy fandaniana izay efa tapaka taty Antananarivo, Mahajanga, Toamasina no natao. Manaitra ny tompon’andraikitra ary manao antsoavo ny tenako, hoy ny filohan’ny SMM, Mbitanarivo Andriantsihorisoa, fa fotoana izao araka ny tenin’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, hoe mbola tsy mandry am-piadanana ny fanahin’ny maty ankehitriny ho an’ireo nahavanon-doza namono ny namanay, Rehavana Michel. Miantso anareo ao amin’ny fitsarana, hoy izy, na ny eny amin’ny minisitera koa. Fotoana izao! Aleo andeha amin’izay ny raharaha Rehavana Michel. Aoka tsy ho iny indray re no ho fototr’olana eto Madagasikara. Efa nametraka izany izahay tany Toliara mba tsy hisy ifanomezan-tsiny avy eo. Aiza ilay dosie fa mila misazy sy manonitra rehefa nanao heloka sy nahavanon-doza? Mikasika ny fahaleovantenan’ny fitsarana dia tery ny fotoana tamin’izany fotoana fa eto dia hamafisinay. Teo ny filohan’ny antenimieran-doholona tany Mahajanga. Nilaza fa hampiantso ny PAC sy BIANCO ary minisiteran’ny fitsarana. Aza mitsabatsabaka amin’ny raharaha tsy tandrifin’ny tena. Samia manaja ny atao hoe fisaraham-pahefana. Mahasarotiny ny fitsarana izany satria rehefa asana mpitsara dia asana mpitsara. Matoa ireny olona ireny nalefa am-ponja vonjimaika dia misy ny vesatra iapangana azy. Tsy ny toerana maha ben’ny tanana azy akory no hanaovana fitsabatsabahana tahaka ireny nataon’ny filohan’ny antenimieran-doholona ireny. Tsy te haheno intsony izahay hoe filohana andrim-panjakana tsy eto anivon’ny fitsarana no manao zavatra tahaka ireny. Aoka samy hanaja fotsiny izao ny tandrifin’andraikiny fa aza tsabatsabahana ny raharaham-pitsarana, hoy hatrany ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.