Nampiaka-peo ka nanome fe-potoana 72ora ho an’ny Fanjakana hamoahana ny naman’izy ireo ny Sendikan’ny mpiasan’ny boriborintany manerany Nosy, araka ny fanambaran’izy ireo omaly.
Lehiben’ny boriborintany efa miisa 10 mantsy no nogadraina noho ny raharaha hosoka amin’ny taratasin’omby. Milaza anefa ireto namany, fa tsy avy amin’ireo lehiben’ny boriborintany no lesoka sy ny olana. Maro ny bokin’omby efa novonoina, kanefa mbola miparitaka sy hampiasaina amin’ny hosoka. Maro ireo mpividy sy mpivarotra FIB (Fiche Individuelle de Bovidé) hosoka. Tokony foanana asiana « X » dia atao arisiva ireo efa lany andro, ka ny omby efa lafo sy maty, kanefa ny taratasy mbola eo, hoy izy ireo. Ampiasaina anefa ilay izy, fafana ny anarana, dia soloina, kanefa ny fitomboka sy ny Sonia, izay no mahasaringotra ny Lehiben’ny boriborintany, araka ny fanazavana. Nilaza izy ireo, fa tsy ekena ny fisamborana kanefa mbola tsy voaporofo fa meloka, ary miantso ny Fanjakana hanenjika ireo mpanao taratasin’omby hosoka ihany koa. Manome fe-potoana 72ora hamahana ny olana izy ireo, ary milaza hiakatra amin’ny dingana ambony kokoa, raha tsy mivaha izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.