Actualités

Sendikan’ny adminisitratera sivily “Aoka izay ny fanaovana tsinontsinona anay”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Hametraka ny atao hoe “commission d’affectation” na kaomisionina mikasika ny famindran-toerana izahay amin’ireo minisitera rehetra mampiasa administratera sivily mba hampitsaharana ny fanaovana fitaovana anay na “instrumentalisation”,

 hoy ny birao vaovaon’ny sendikan’ireo administratera sivily eto Madagasikara na SYNAD, tarihin’ny filohany, Paolo Raholinarivo, tetsy amin’ny Carlton Anosy ny sabotsy teo. Ny minisiteran’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana no tena hametrahanay izany satria tena manahirana ny fitantanana ny lafin-tany sy ny fitsinjaram-pahefana, hoy ity filoha ity. Izay tsy tian’ny depiote sy loholona sy ireo miseho ny tenany ho andriamanitra dia esoriny. Tsy ekena intsony izany fa mila omena lanja ny “affectation” atao amin’ny olona. Tsy miaro ny administratera manao adalana izahay fa miaro ireo tsy manao adisoana kosa satria misy namanay mahazo famindran-toerana anio dia miala afaka 3 volana satria tsy tian’ny depiote sy ny loholona sy ny ambiny rehetra. Aiza ao anaty lalana no misy hoe afaka mamindra toerana mpiasam-panjakana ny depiote sy ny loholona? Ny rehetra mihitsy no lasibatr’izany fa tsy adminisitratera sivily ihany. Aleo mifanaja dia samy manao ny asany raha tiantsika ho vanona manomboka izao ny asam-panjakana. Mila jerena koa ny rantsana mifandray amin’ny sendika toy ny ao amin’ny minisiteran’ny atitany izao dia ao ny “attaché”, ny “assistant d’adminisitration”, ny “adjoint d’administration”. Raha tsy misy ireo tsy mandeha ny raharaham-panjakana. Hangataka fihaonana amin’ny andrim-panjakana rehetra manomboka amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izahay manomboka eto ka izay tsy mamoha varavarana dia ho ataonay lisitra ho tantarainay amin’ny vahoaka Malagasy hoe ireto olona ireto tsy mamaky lalana. Izahay irery no afaka miasa eran’ny tampon-tanety momba ny raharaham-panjakana manerana an’I Madagasikara fa ny sasany tsy mahalala ny asanay no ampanaovina azy. Firenena iaraha-manana ity. Misy depiote miditra amin’ny kilaoty tery. Anjaran’ny DRH mampiasa adminisitratera sivily no mitantana ny maha olona na “ressources humaines” fa tsy asana depiote. Hafa ny taloha, hoy hatrany ny filohan’ny SYNAD. Isan’ny tanjona voalohany ny hametraka ny administratera sivily amin’ny toerany araka ny voalazan’ny lalàna, hoy kosa ny fanamafisan’ny sekretera jeneralin’ny SYNAD, Nicolas Rabenandrasana. Ny mpanao politika no fahavalon’io voalohany ka aoka izay ny kinangananga sy fanaovana tsinontsinona anay administratera sivily. Maninona no omena olon-kafa tsy mahay ilay as any toerana tokony ho an’ny administratera sivily, hoy hatrany ny SYNAD.

J. Mirija Legende: ny filohan’ny SYNAD vaovao, Paolo Raholinarivo (avanana) sy ny sekretera jeneraliny Nicolas Rabenandrasana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT