Actualités

Sendikan’ny mpitsabo S.Méd.F.M Mitaky ny hanatanterahana izay nampanantenaina


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011

Miandrandra mafy ny handraisan’ny fanjakana andraikitra mikasika ny fangatahany ny Sendikan’ny mpitsabom-panjakana.

 Maro mantsy araka ny voalaza ireo fampanantenana nataon’ny fanjakana kanefa tsy nisy tanteraka hatramin’izao. Araka izany dia mampatsiahy izy ireto ary mampahafantatra ny zava-misy ankehitriny mialoha ny hetsika rehetra izay mety hotanterahany. Araka ny fanamarihana, na dia ilay tambin’ny saran-dalana nampanantenain’ny minisitra fotsiny ihany aza, dia tokony omena azy ireo aloha. Niantso ny fitondram-panjakana koa izy ireto ny mba hanatanterahany ny teny nomena satria tsy fitakian-jaza hoy ny fanambarana no ataon’izy ireo, ka ampanantenaina dia hangina. Nanindry mafy ny tokony hampidirana ao amin’ny tetibolam-panjakana ny tambin-karaman’izy ireo ireto mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny mpitsabom-panjakana ireto ary tokony atao laharam-pahamehana izany. Mbola vonona ny hanamafy ny fitakiany ireto mpitsabo ireto raha ilaina izany hoy izy ireo saingy nanipika fa manameloka ny fanafintohinana amin’ny endriny rehetra ny hetsika sendikaly.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT