Actualités

Sendikan’ny mpitatitra Miandry ny fanapahan-kevitry ny FAT


  • Talata 19 Aprily 2011

Ho fantatra ny sabotsy ho avy izao farafahatarany ny fanapahan-kevitry ny sendikan’ny mpitatitra mikasika ny tokony hampiakaran’izy ireo ny sara-dalana na tsia.

Taorian’ny fivoriana in-droa miantoana izay notontosain’izy ireo nanomboka ny sabotsy lasa teo ka hatramin’ny omaly alatsinainy izay niarahana tamin’ny solontenan’ny ministeran’ny fitaterana mantsy dia ny fitakiana amin’ny fanjakana ny fanampiana ny tokony homena azy ireo no nivoitra. Lohalaharana amin’izany ny famerenana ny vidin-tsolika amin’ny teo aloha na ny fanomezana fanampiana azy ireo mifandraika amin’izany. Hatreto aloha, ho an’ny Semampafi na ny Sendika Malagasy ivondronan’ny mpanao fitaterana dia ny fandraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra ihany no tena takian’izy ireo hisorohana ny fahasahiram-bahoaka izay efa miantraika isam-baravarana mihitsy.

Raha mifanohitra amin’izay kosa anefa ny zava-mitranga dia nanambara izy ireo fa tsy maintsy hampiakatra saran-dalana ihany na dia hiteraka olana sosialy goavana aza ny fisiany. Ankoatra ny fangatahana ireo fanampiana ireo moa dia takian’ny sendikan’ny mpitatitra ihany koa ny hamoahan’ireo mpandraharaha momba ny solika izay tena vidin-tsolika marina. Amin’izy ireo mantsy dia tsy ara-dalàna io fiakarana 50 ariary io. Tafiditra ao anatin’izany ny tokony hijeren’ny fitondram-panjakana ny vidin’ny lasantsy izay nomarihin’izy ireo fa tsy tafiditra ao anatin’ny fanampiana heverin’ny fitondram-panjakana fa tokony homena ny mpitatitra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT